Home » Ny vokatra sy tolotra tsara omenay
Manolo-tena izahay amin’ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny toekarena malagasy.
Mamolavola vokatra tsara kalitao eto an-toerana izahay, ary miantoka azy ireo mba hanara-penitra. Manjinjara vokatra avy eto an-toerana sy avy any ivelany ihany koa izahay, izay manaraka ny lalàna sy ny fividianana tompon’andraikitra miaraka amin’ireo mpamatsy entana rehetra.
Ny tanjona dia ny fampivoarana ny sehatry ny fambolena eto an-toerana, mba hanatsarana ny fiainan’ny mponina any ambanivohitra.
Ny tetikasanay mamolavola vokatra sy tolotra tsara kalitao eto an-toerana
FSSC 22000
Fanamarinana izay mampiseho ny fanoloran-tena amin’ny fiarovana ny sakafo, ny kalitao, ny fanarahana fenitra, ary ny fanatsarana maharitra.
Sehatra hoditra
Fandrindrana ny sehatra hoditra eto an-toerana mba hahafahana mamokatra kiraro tsara kalitao sy vita malagasy.
Fanaraha-maso ny ronono sy ireo akora fototra
Fanaovana fanadihadiana sy fitsirihina amin’ny dingana rehetra amin’ny famokarana.
100% amin’ny ronono sy ny akora fototra no voara-maso.
Sehatry ny ronono Malagasy
Fiaraha-miasa amin’ny tantsaha mpiompy hanatsarana ny kalitaon’ny ronono sy hampitomboana ny vokatra, amin’ny alalan’ny fanohanana ara-teknika sy ara-pahasalamana
4 000 ny isan’ireo mpiompy omby vavy
Fanamarinana HACCP
Fenitra iraisam-pirenena miantoka ny fahadiovan’ny sakafo, miaraka amin’ny fanaraha-maso isan-taona nanomboka tamin’ny 2020.
FSSC 22000
Fanamarihana maneho ny fandraisana andraikitra amin’ny fiarovana ny sakafo, ny kalitao, ny fanarahana fenitra ary ny fanatsarana maharitra.
Sehatra hoditra
Fandrindrana ny sehatra hoditra eto an-toerana mba hahafahana mamokatra kiraro tsara kalitao sy vita malagasy.
600 Mpanangona hoditra
Fanangonana vokatra matihanina
Fanaraha-maso hentitra isaky ny dingana ao amin’ny rojom-pamokarana mba hananganana sehatra hoditra malagasy avo lenta
300 ny olona natokana amin’ny fanangonana hoditra
Fanamarinana SLF
Fanadihadiana ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena momba ny rojom-pamokarana hoditra araka ny andry 3 (tontolo iainana, sosialy, fitantanana)